MIANDRY ANAO NY TOMPOTSIKA (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miandry anao ny Tompotsika, miandry fibebahana
Fa tsy tiany hisy ho very na dia iray isika
Hialao ny hakamoana, soloy fahazotoana
Ireo fahazaran-dratsy, hajanony hatreo, f'efa hoavy anie ny Tompo

Miandry ahy, (Miandry anao), ny Tomponao (Tena tia)
Aza ela sao tratra aoriana, mifohaza fa aza sondriana
Itafio Jesoa Kristy, aza miahy ny nofo ianareo
F'Izy Tompo miahy anareo

Tomoera Amiko ianareo hoy ny Tompo
F'izay miray Aminy ho feno voka-tsoa e!
Ireo tsy namboleny, hongotany ho very
Izay rehetra tsy mamoa dia horantsanany ka hatsipiny anaty afo e!

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIZIFA
Vangy : 167
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 26/03/2024 14:43
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0129