Ho feno fisaorana (Hira Faneva faha-40 taonan'ny FJKM) (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Ny andro rehetra niainanay
Dia notahian'Ilay Kristy
F'Izy no niahy sy nitantana
Ka nampijoro tsy nirodana

Ref: Ka aoka hanapaka ao am-potsika
Ny fiadanan'i Kristy
F'Izy no niantso antsika ho tena iray
Ho feno fisaorana

2. Tsy ho voafetra ny fitiavany
Manerana izao rehetra izao
E! tsy mba diso anjara isika izao
Fa nomeny tsy an-kanavaka

Ref: Ka aoka hanapaka ao am-potsika
Ny fiadanan'i Kristy
F'Izy no niantso antsika ho tena iray
Ho feno fisaorana

3. Ny hoavitsika no banjinina
Mba ho Mpitory an'i Jesoa
Aoka hazoto amin'ny asa soa
Izay re no sitraky ny Ray Tsitoha

Ref: Ka aoka hanapaka ao am-potsika
Ny fiadanan'i Kristy
F'Izy no niantso antsika ho tena iray
Ho feno fisaorana

Ref: Ka aoka hanapaka ao am-potsika
Ny fiadanan'i Kristy
F'Izy no niantso antsika ho tena iray
Ho feno fisaorana

Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe na AMPIZIFA
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIZIFA
Vangy : 202
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 02/06/2025 12:54
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0747