Famonjena (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Soloy fifaliana ny halahelo sy sentonao
Ario ny hakiviana ka venteso ny hira vao fa
Indro efa nomena ho an’ity tontolo ity
Ilay Famonjena

Soloy fifaliana ny halahelo sy sentonao
Ario ny hakiviana ka venteso ny hira vao fa
Indro efa nomena ho an’ity tontolo ity
Ilay Famonjena : Jesoa Kristy

1.Fa toy izao no nitiavan’Izy Tompo
Ilay Malalany sy tiany no nafoiny mba hanompo
Ho ahy sy ho anao, izany re no nihaviany
Hampandova fiainana no tena faniriany

Soloy fifaliana ny halahelo sy sentonao
Ario ny hakiviana ka venteso ny hira vao fa
Indro efa nomena ho an’ity tontolo ity
Ilay Famonjena : Jesoa Kristy

2.Fa famonjena ho an’izay rehetra mino
Tena ho sambatra tokoa izay mandray Azy ao am-po
Ka raha ho avy ilay fotoana hihaviany
Dia ho faly sy ho ravo, handeha tsy misy tsiny

Soloy fifaliana ny halahelo sy sentonao
Ario ny hakiviana ka venteso ny hira vao fa
Indro efa nomena ho an’ity tontolo ity
Ilay Famonjena

Soloy fifaliana ny halahelo sy sentonao
Ario ny hakiviana ka venteso ny hira vao fa
Indro efa nomena ho an’ity tontolo ity
Ilay Famonjena : Jesoa Kristy

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AMPIZIFA
Hits : 198
Likes : 0 Like
Created by : AMPIZIFA
Date : 04/06/2025 13:34
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1315