Aoka hifankatia (AMPIZIFA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahafoy ny ainy ho ahy, nahafoy ny ainy ho anao
Ilay Tompo Tsitoha, Andriamanitra
Ka nandao lapasoa, nanetry tena koa
Fanavotana ahy, fanavotana anao

Aoka hifankatia, izay no hafany
Ny mihatsara ivelatsihy, tsy mba sitrany
Tiava ny namanao tahaka ny tenanao
Izay no hahafantarana fa Mpianany

Fa raha izay tia anareo ihany no tianareo
Inona moa ny soa tokony ho anareo
Fa tiava ny fahavalo ary manaova soa
Dia ho lehibe tokoa ny valim-pitianareo
Aza mba mitsara dia tsy ho tsaraina ianareo
Aza manameloka dia tsy mba hohelohina
Ary mamelà ny hafa dia ho avela ianareo
Aoka ho Mpamindrafo tahaka Ilay Ray Tsitoha
(2 fois)

Miakara, miakara e ! ry Mpanjaka lehibe
Vitanao ny famonjena izay nalehanao taty
Miakara, miakara e ! ry Mpandresy lehibe
Haleloia, haleloia, ho Anao Mpanavotray

(Ô ! manatöna) Manatöna an’i Jesoa,
(Fa Izy ihany) Izy no hamonjy anao…
Mifalia ianao fa Jesoa Tompo no nanavotra anao

Isaoranay Zanahary, Izy nitahy sy niaro
Isaoranay Zanahary, Izy nitahy sy niaro
Izay matoky an’i Jesoa, velona tsy misy marary
Izay matoky an’i Jesoa, velona tsy misy marary

Mba mitoera Jesoa ao an-tsambonay
Mba ho renay lalandava ny Teninao
Ny baikonao ry Tompo no handrasanay
Handrotsahanay ny haratonay

Faly aho miaraka amin’i Jesosy tokana ihany
Na dia mahantra aza aho mbola manao hoe :
Faly ao Aminy re aho ; Faly ao Aminy re aho

Jehovah ô ! derainay Ianao
Hankalazainay ny Anaranao
Izao rehetra izao manaja Anao
Fa Rainay ho mandrakizay (2 fois)…
Fa Rainay ho mandrakizay (4 fois)

AMPIZIFA (Antoko MPIhira ZIona Fahazavana Anosibe) 
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AMPIZIFA
Vangy : 161
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : AMPIZIFA
Daty : 04/06/2025 12:06
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.1781