Ho aiza moa aho (AMF Androndra Fahasoavana)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nametra ny fiainako rehetra t@nao aho,nanankina ny hoaviko mba homaninao.
Toa nanameloka ahy avy hatrany ny fisainako,
nandevona tsy hisy ilay fanantenako.
Nanaiky aho ny handia lalam-baovao,
nitady izay tsy hitako teo @nao,
nefa indro ilay fahazavana nandrandraiko, nivadika ho aizina.
ref:
inoako fa, na dia nanodina ny fiainako aza aho
inoako fa, nijery ahy Ianao niandry vaovao.
inoako fa, na dia mafy ny miverina ny dia, niandry ahy
Niandry ahy ilay fitia
Tsiniko fa, tsy tsapako ny herin'ny Fitiavanao,
tsiniko fa, Ianao izay tia ahy, nataoko kilalao
tsiniko fa, na dia natsiaro anao aza aho indraindray
dia toa ninia nanao izay tsy sitrakao.
Nisalasala aho, nisampantsapana ny dia
Tsy tapa-kevitra aho aiza ihany no haleako
Toa nisy hery izay nisintona mafy ahy koa
Hiverina @ izay tsy nisy anao taloha,
Dia faly aho satria manao izay tiako atao,
finaritra fa be tokoa ireo lalao
Izay ataoko anefa tsy mitondra soa
hay Aminao ihany no toa.
ref:
A/C: Andrianomenjanahary Lovasoa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny hira
Mpihira : AMF Androndra FahasoavanaVangy : 3216
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Arhiens
Daty : 06/12/2019 13:08