NOELY ISAN’ANDRO (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
DO dia F
Sitrako, Jesoa tia
Ho noely isan’andro
Ny androko, androko
Ho noely avokoa

Raha tonga ao am-po
Ilay Jesoa soa
Zanak’Andriamanitra
Fitahiana, fifaliana
Santatry ny lanitra

Fahoriana , fijaliana
Dia tsy mba maharitra
Raha manaiky, ilay Jesoa tia
Ho mpandova lanitra

Raha mamangy anio, ny mpamonjinao
Ao am-ponao no tiany re
Raha fiadanana no tsy hananana
Sahia milaza hoe

Tonony sy feony : Pasteur Rahaingonjanahary Rodolphe
(23/10/1989)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Vangy : 824
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Njato5
Daty : 03/05/2019 23:07
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0835