Manampia (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

Izay nahazo maimaim-poana
dia aoka hizara maimaimpoana
fa mahasambatra kokoa
ny manome hono ny mandray


1.Ho anao Izay nambinina
o!mba manampia re reo namana
fa Misy osa sy marary
mitady vonjy fa dia mijaly

2.Raha toa ianao ka notahiana
o!mba manampia re aza variana
jereo ny ory fa miafy
tsy ampy sakafo tsy ampy fitafy

3.Ts'isy manana ny tena ampy
Nefa mahasoaTsiky dia ampy ny mifanampy
tsy Misy mahavita tena
fifanampiana dia famonjena

4.koa tanteraho amin' ny FO
ireo fanampiana fanaovan-tsoa
ny fandatsana alaviro
fanetretena no ifikiro

trurum trutrutrururum....
manampia ny namana
trurum trutrutrururum...
mahasoa ny mifanampia
trutrutrummmm...
mitady vonjy fa marary...
fa tsy ampy sakafo...
Manampia Re.....!!!!! :-)

tonony sy feony: Rahaingomahefa Pascal

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Mpamaky : 629
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : miorarobson
Tamin'ny : 10/03/2015 10:07:10
ID : 7267

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo