HANGINA AHO (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Do dia F
Tompo ô! Hangina aho , fa Ianao no hiasa
Tompo ô! Ampaherezo aho , amin’ny fiainako

Na ny saiko, na ny aiko
Efa nentiko nanompo Anao
Misy anefa , fahavaloko
Zay mitady hamingana ahy
Ny herinao , ô ry Tompo
Tanteraho amin’ny fahalemena
Ka arovy aho, tsy ho ketraka
Fa mpanompo tsy mahasoa

Fantatro izay inoako
Fa tsy manary ahy Ianao
Aoka anefa , izay sitrakao
Ihany no tanteraka
Misy mantsy,
Fanahy ratsy
Zay mampihatra ny fahefany
Dia hangina aho, nefa manantena
Ho mpandresy tahaka Anao


Tonony sy feony : Rahaingomahefa Pascal
(08/10/08)
--------
Lien: https://tononkira.serasera.org/hira/amboaram-peonny-fahazavana-a.p.f/hangina-aho-1
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Visites : 559
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Njato5
Date : 02/05/2019 15:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2023 - page load 0.068