FIARAM-PAMONJENA (Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F))

https://tononkira.serasera.org/hira/amboaram-peonny-fahazavana-a.p.f/fiaram-pamonjena-1

DO dia C/F/Bb (negro spirituals)
Ry fiangona-maminay, fiara tsara rafitra
Ilay Jesoa sakaizanay, Izy no mandrafitra
Ho azo antoka ny dia, miaraka aminy eny an-dàlana
Ny làlana hombany , feno fiadanana
Satria Jesoa no momba sy mitantanana
Voarafitra ny fiaran’ny famonjena
Mitondra ny vahoaka sesehena
Sy ho famonjena firenena
Fa efa vonona Jesoa, ilay mpitantana ny dia
Koa aza be fangatak’andro, midira matokia

Ny fiangonanao Jesoa, dia mamTsiky dia ampyinay hatrany
Fiara tsara voavoatra hampita anay hankany
Eo anatrehan’Andriamanitra
Any an-danitry ny lanitra
Miaraka aminao Jesoa, mpandresy am-boninahitra

Ny fiaram-pamonjena, avotr’aina azonay
Aizim-pito hisava, tsara antoka izahay
Koa fifaliana , rondo-kira
No manako , ety an-dàlana
Fiderana, fihobiana, dia tsy hanam-pitsaharana, satria
Voarafitra ny fiaran’ny famonjena



Tonony : Pasteur Rabevazaha Justin
Feony : Pasteur Rahaingonjanahary Rodolphe
(13/10/87)

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Amboaram-Peon'ny Fahazavana (A.P.F)
Mpamaky : 435
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Njato5
Tamin'ny : 02/05/2019 13:24:19
ID : 11633

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo