Ny Vavaka (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Key  Bb
1-
Raha misy manjo na sarotra koa ny lalana,
ka mampitaraina sy mampiady saina ireo sakana.

Dia aoka tsy hania fa Jesosy tia no Mpitantana, ka amin'izany dia banjino
hatrany ilay lanitra.

Refrain :

Fa misy fomba (mba iray)
mampifandray amin'ilay Ray(Ray izay)  an-danitra (lanitra)
Fomba tena soa(soa tokoa)
mora tsotr'izao(tsotr'izao)
Ny vavaka no mitondra hery vao.

Ny vavaka no tena zava-tsoa
sarobidy koa, ka aoka tsy ho adino,
satria ho an'ny mino aro ny vavaka.

2-
Ny mpino rehetra dia tsy voafetra hivavaka, fa n'aiza aleha dia tsy voafehy fa afaka.

Satria hery soa miaro ny fo tsy ho solafaka
Mpamonjy tokoa raha sendra ka tojo ady sarotra.

2'-
Kanefa aoka hahatsiaro hisaotra raha mivavaka, fa tsy ho jambena ka ho tia tena hangataka,

Ka na dia mifaly na koa mijaly
tsy ho sasatra ny hankalaza,
hideran'ilay Tompo Mpanafaka.

Refrain

A/C Nirinarivelo Ando Fanomezana.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Vangy : 526
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 24/12/2019 20:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.439