Ny Vavaka (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Key Bb1-
Raha misy manjo na sarotra koa ny lalana,
ka mampitaraina sy mampiady saina ireo sakana.
Dia aoka tsy hania fa Jesosy tia no Mpitantana, ka amin'izany dia banjino
hatrany ilay lanitra.
Refrain :
Fa misy fomba (mba iray)
mampifandray amin'ilay Ray(Ray izay) an-danitra (lanitra)
Fomba tena soa(soa tokoa)
mora tsotr'izao(tsotr'izao)
Ny vavaka no mitondra hery vao.
Ny vavaka no tena zava-tsoa
sarobidy koa, ka aoka tsy ho adino,
satria ho an'ny mino aro ny vavaka.
2-
Ny mpino rehetra dia tsy voafetra hivavaka, fa n'aiza aleha dia tsy voafehy fa afaka.
Satria hery soa miaro ny fo tsy ho solafaka
Mpamonjy tokoa raha sendra ka tojo ady sarotra.
2'-
Kanefa aoka hahatsiaro hisaotra raha mivavaka, fa tsy ho jambena ka ho tia tena hangataka,
Ka na dia mifaly na koa mijaly
tsy ho sasatra ny hankalaza,
hideran'ilay Tompo Mpanafaka.
Refrain
A/C Nirinarivelo Ando Fanomezana.
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Amboaram-peo Hoby VontovoronaHits : 671
Likes : 0 Like
Created by : mangazaka2
Date : 24/12/2019 20:35