Fitiavana iray (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

https://tononkira.serasera.org/hira/amboaram-peo-hoby-vontovorona/fitiavana-iray

Key G
[Andriamanitra tsitoha,
Rainay be famindram-po!
Ianao ilay mampiray anay
tamin'ny fitiavana.] ×2

Fo sy saina ary fanahy,
no nomenao ho anay,
mba hampiasainay hatrany
hanehoana fitiavana.

Taratry ny hafaliana
izay natolotrao ho anay
ilay fittononkira.serasera.orgia tsara indrindra,
ka saotra no asandratray.

[Indreto izahay!
Fo, saina, fanahy,
nampiombononao ho iray.] ×2

[Andriamanitra tsitoha,
Rainay be famindram-po!
Ianao ilay mampiray anay
tamin'ny fitiavana.] ×2

Ianao ilay mampiray anay
tamin'ny fitiavana.

A/C Maholy Todison

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Mpamaky : 92
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : mangazaka2
Tamin'ny : 24/12/2019 19:34:57
ID : 12345

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo