Mitrakà (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Key Eb
1-
Toa trotraky ny ady ry mpiantsambo ô!
Ahevahevan'ny onja tsy misy fiafaràny.
Ny ezakao indrisy tsy mahatohitra
'Ty tafiodrivotra sy ny onjan-dranobe

Toa trotraky ny ady ry mpiantsambo ô!
Ahevahevan'ny onja tsy misy fiafaràny.
Ny ezakao indrisy tsy misy vokany,
ka ory indrindra ianao faty sisa andrasana.

Refrain:
Mitrakà r'ilay reraky ny dia
Jesoa Tomponao tia dia tena tia,
Te-hamonjy sy hiahy anao
Ô ekeo ka raiso izao.

Ô ampandrosoy Jesoa Tomponao
Ary ny fivoy aoka ho Azy izao.
Izy no ho kapiteninao
Ho voavonjy ianao.

2-
Nahoana no misalasala izato ianao?
Ny tanany mitsotra toa te hitrotro anao
Ny henatrao foana ny ambompo ialao,
Na dia fandavana aza no natao hatrizay.

Refrain:
Ô avia r'ilay miasa fatratra
Jesoa hanome fitsaharana
 Te-hamonjy sy hiahy anao
Ô ekeo ka raiso izao.

Ô ampandrosoy Jesoa Tomponao
Ary ny fivoy aoka ho Azy izao.
Izy no ho kapiteninao
Ho voavonjy ianao.

A/C Tovonanahary Augustin
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Vangy : 475
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : mangazaka2
Daty : 24/12/2019 20:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719