Atsangano (Amboaram-peo Hoby Vontovorona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Voninahitra ho anao Jesoa, Haleloia Haleloia,
Hoby no asandratray ho anao, ho anao mandrakizay,
Feno fifaliana izahay nohon'ny fitantananao,
Ny fiainanay hatrizay hatrizay.

Refrain : Faneva no (faneva indro) atsanganay amin'ny anaranao Ray, ho entinay hanohy ny asanao hizara fiainam-baovao, tsy hitsahatra ny hanako hoe : fa tsara ianao Jesoa, ny lanitra no tanjonay, Fiainana Mandrakizay.

2- Mbola vonona izahay Jesoa, ny hihira ho anao,
Tsy hataho-datsa eso koa, fa hanaiky sy hanoa,
Satria ianao no mombanay, mahatoky ianao,
Vatolampy hery fiarovanay,

Refrain : Faneva no (faneva indro) atsanganay amin'ny anaranao Ray, ho entinay hanohy ny asanao hizara fiainam-baovao, tsy hitsahatra ny hanako hoe : fa tsara ianao Jesoa, ny lanitra no tanjonay, Fiainana Mandrakizay.

Bridge : Ha-a-a-a-le-e-e-e-lo­u-ou-ou-ou-iah-iah Amen !

Refrain : Faneva no (faneva indro) atsanganay amin'ny anaranao Ray, ho entinay hanohy ny asanao hizara fiainam-baovao, tsy hitsahatra ny hanako hoe : fa tsara ianao Jesoa, ny lanitra no tanjonay, Fiainana Mandrakizay,
Atsanganay ny Fanevanay, amin'ny anaranao ry Ray,
Atsanganay ny fanevanay.
Haleloia Haleloia, Amen !

A/C : NOMENA HASINA/MENDRIKA SAROBIDY
©ILAYNANTENAINY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Amboaram-peo Hoby Vontovorona
Vangy : 241
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ilay7nantenainy
Daty : 07/03/2023 08:01
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0804