SAINO (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ry olombelona ô! tsy tsapanao ve
Fa tsy misy fiononana eto
Fa toa filàna, faniriana tsy mitony re
Nefa indrisy ratra aza mampisento

Koa dia meteza re anio handray ny Tomponao
Ny fahamasinany tafion ny fo ovay ho vao
Ny miaraka aminy no tena fiadanana ho anao
Raiso iy anio fa vonona handray anao

Ry olombery ô! dia tsy fantatrao ve
Fa tsy tonga lafatra ny tany
Tsy ny hareny no ahitanao fiadanam-be
Na dia mamiratra manintona aok’izany

Koa diA meteza…

Ry mpivahiny ô dia tsy mbola renao ve
Fa tsy ety no lava ho antsika
Saino fa Kristy raha nizaka fahoriam-be
Ny tambin’iny dia lapa paradisa
Saino fa Kristy nijaly ho antsika
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Vangy : 1113
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : HANITRYNYLANITRA
Daty : 03/05/2017 11:50
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3059