ANTSO HO AHY (AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra))

https://tononkira.serasera.org/hira/ahl-antoko-mpihira-hanitry-ny-lanitra/antso-ho-ahy-1

1-Andriamanitra no indro isaoranay
Ffa mbola mijoro ny fikambananay
Ka mbola tatr’izao (lehilahy)
Taon-jobily izao (vehivavy)
Hoentin-kanovozana hery vao
Dera ho Anao ry Ray tsitoha
Nanefy anay hifanasoa

2-Dimampolo taona no efa nijoroana
Fa natao an-kira ny asa fanompoana
Hampody ireo nania (lehilahyTsiky dia ampy)
Hahay hifankatia (vehivavy)
Hiverina ao am-balanao satria
Memy izao lalanay izao
Mandavo anay raha tsisy Anao

3-Hihira ho Anao raha mbola velon’aina
Tsy alasafahy fa tena avy ao an-tsaina
Fa antso izao ho ahy (lehilahy)
Hikolo ny fanahy (vehivavy)
Ho vonona history sy ho sahy
HANITRY NY LANITRA tokoa
Hanompo Anao amin’ny fo

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AHL (Antoko mpihira Hanitry ny Lanitra)
Mpamaky : 624
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Hanitrynylanitra
Tamin'ny : 18/01/2018 15:29:06
ID : 10274

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo