TANDREMO SAO VOAFITAKA (AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe))
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Ambarako aminao f’io ady hatrehanao io Dia fitiavan’I Jesosy anao
Andriamanitra anie dia tsy ampitondra
Zay rehetra tsy ho zakanao
Fa ny fitiavany anao dia fitiavana be
Tena tiany ianao ka mba maneke
Fafao ny tomany ka mahereza re
Miandry anao fifaliam-be
Ref:
Maro ireo mahay fahagagana
Mitandrema sao voafitaka ianao
Tsy fahafahana ara-nofo
No namenjen’I Jesosy anao
Entitsika ny hazo fijaliana, hiaretany ny fahoriana
Finoana no andehano fa tsy fahitana
Tandremo sao voafitak’i satana
2-Tsy vola na harena no nividianany anao
Fa ny ràny no nalatsaka
Vidindrany ianao koa aza mamohy fo
Fa Jesosy momba anao
Fa ny fitiavany anao dia fitiavana be
Tena tiany ianao ka mba maneke
Fafao ny tomany ka mahereza re
Miandry anao fifaliam-be
Ref:
Maro ireo mahay fahagagana
Mitandrema sao voafitaka ianao
Tsy fahafahana ara-nofo
No namenjen’I Jesosy anao
Entitsika ny hazo fijaliana, hiaretany ny fahoriana
Finoana no andehano fa tsy fahitana
Tandremo sao voafitak’i satana
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : AFA Feon'ny Fampiraisana F8(Anosibe)Visites : 725
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : TBEA
Date : 13/05/2022 22:52