Ray ô (AFA (Anjomara Famonjena Anosibe))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Ray ô hifonako amiNao ny ditrako
Ray ô efa nanota tamiNao tokoa
Indro aho miantso, mivalo mitalaho x2
Mifona re, vonjeo fa mitoreo

Ref : (Unisson femme) Ö ry Tompo be fitia ô
Inty ilay zanakao nania
Mahatsiaro fa tsy nety izay nataony e
ô ô ô ou ou ou
(unisson homme) ô ry Tompo Ray malala ô
Inty ilay zanakao adala
(Choeur) Efa vonona hanoa sy hankatoa ny teninao
Koa tantano aho sy vimbino
Raha mivilivily ahitsio
Atafio ahy ny heriNao Ray ô
Hanarahako Anao

2- Ray ô ! atokako ho Anao ny fiainako
Ray ô ! raha toa solafaka ho aiza moa
Ianao irery, ny anaraNao mahery x2
No antsoiko mba ho tonombavaka

ô ry Tompo be fitia ô.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA (Anjomara Famonjena Anosibe)
Vangy : 166
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Randria7
Daty : 24/08/2023 07:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0741