Tadidio (AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga)

https://tononkira.serasera.org/hira/afa-amboaram-peo-fiderana-ambatomanga/tadidio-2

1) Andriamanitra o! Ianao hanampy ahy
Fa mahery loatra mantsy ny adim-panahy.
Aizim-pito lava tsisy hazavana
No mba iainako eto izao.
Ka dia manantena Anao Ray be fitia.
Fa mba hisy hazavana ho itanay.
Hira fiderana no hasandratray haharitra mandrakizay

2)Andriamanitra o Ianao tsy mba mandao.
Fa mitsinjo lalandava ny dianaTsiky dia ampyy.
Na matetika aza be ny hadalana
dia tsy foinao izahay.
Fa ny tananao mahery mitantana.
Ny fitiavanao ry Tompo no hiainanay.
Tsy mba ho hadino izahay dia mino
fa momba anay tokoa Ianao
Ref:
Tadidio fa Jesoa mijery ahy sy ianao.
Na fahoriana fifaliana no hiainana ety.
Tadidio fa Jesoa mihaino ahy sy ianao.
Mandre ny vavaka hasandratrao ao Aminy.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga
Mpamaky : 748
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Amboaram-peo Fiderana Ambatoma
Tamin'ny : 11/04/2017 10:59:41
ID : 9327

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo