Satria Jesoa (AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Tsara ny andro mamiratra ery
Kanto tokoa sy tena soa
Mety avokoa izay rehetra atao
Milamina ny fiainana
Satria Ianao ry Tompo Jesoa
Mitahy mitantana sy manasoa
Ka tsy irery tsy mba ho very
Izay mahatoky Anao

2)Hafa tokoa ny manompo Anao
Fa manana Mpiantoka
Tsy mora kivy fa matanjaka
Amin'ireo adim-panahy
Tsy mba miady fa mifankatia
Miasa tsara entanim-pitia
Miray saina tsy mba malaina
Satria mpianatrao

Ref: Satria Jesoa (Satria Jesoa)
Satria Jesoa ( Satria Jesoa)
Satria Jesoa toky sy aro ho anay
Satria Jesoa ( Satria Jesoa)
Satria Jesoa (Satria Jesoa)
Satria Jesoa no mpitarika mahay
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga
Vangy : 1301
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Amboaram-peo Fiderana Ambatoma
Daty : 22/04/2017 12:04
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.4923