Tadidio (AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Andriamanitra o! Ianao hanampy ahy
Fa mahery loatra mantsy ny adim-panahy.
Aizim-pito lava tsisy hazavana
No mba iainako eto izao.
Ka dia manantena Anao Ray be fitia.
Fa mba hisy hazavana ho itanay.
Hira fiderana no hasandratray haharitra mandrakizay

2)Andriamanitra o Ianao tsy mba mandao.
Fa mitsinjo lalandava ny dianay.
Na matetika aza be ny hadalana
dia tsy foinao izahay.
Fa ny tananao mahery mitantana.
Ny fitiavanao ry Tompo no hiainanay.
Tsy mba ho hadino izahay dia mino
fa momba anay tokoa Ianao
Ref:
Tadidio fa Jesoa mijery ahy sy ianao.
Na fahoriana fifaliana no hiainana ety.
Tadidio fa Jesoa mihaino ahy sy ianao.
Mandre ny vavaka hasandratrao ao Aminy.
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : AFA Amboaram-peo Fiderana Ambatomanga
Hits : 1824
Likes : 0 Like
Created by : Amboaram-peo Fiderana Ambatoma
Date : 11/04/2017 12:59
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744