Masoandro (Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Rehefa hariva ka midify ilay masoandro
Haizina no setriny
Lasa ny hazavana sy ny andro niasàna
Ka mangingina ery
Marobe ireo mamisavisa indray ny ampitso
Mba hiavian’ny maraina
Ka mivavaka, miandradra mafy ilay masoandro
Hanala ny taraina

Fa ny masoandro izay mitondra hazavana
No hizara fanantenana
Tsy mba manavaka ny isam-baravarana
Na ory na mpanana
Saingy be no kivy hoe lasa ny andro sy ny taona
Toa tsisy fiovana foana
F’ilay faniriana tao am-po sy nohiraina
Toa verivery maina
Ny ahy kosa tsapako fa Ianao Jesoa no
Masoandron’ny fiainako

Fa raha Aminao no iorenan’ny finoako
Dia ho foana ny toloko
Andrin’ny fiainako Ianao
Fa avy Aminao no ipoiran’ny hazavana
Hery sy fanantenana
Andrin’ny fiainako Ianao
Masoandron’ny fiainako

Ireo tebiteby, ahiahy sy hakiviana,
Dia lasana avokoa (lasana avokoa)
Fa fahatokiana sy finoana, fahasahiana
No hameno ny fiainako
Ka na maloka na hilentika aza ny masoandro
Ka ho avy indray ny haizina
Ilay Masoadroko tsy mety dify sy tsy mba mandao
Na andro na alina
Mbola hohiraiko hatrany fa Ianao Jesoa no
Masoandron’ny fiainako

Fa raha Aminao, no iorenan’ny finoako
Dia ho foana ny toloko
Andrin’ny fiainako Ianao
Fa avy Aminao no ipoiran’ny hazavana
Hery sy fanantenana
Andrin’ny fiainako Ianao
Masoandron’ny fiainako

Fa raha Aminao, no iorenan’ny finoako
Dia ho foana ny toloko
Andrin’ny fiainako Ianao (Jesoa)
Fa avy Aminao no ipoiran’ny hazavana
Hery sy fanantenana
Andrin’ny fiainako Ianao
Masoandron’ny fiainako (in-3)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vonjy
Visites : 439
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : DadanBounou
Date : 13/09/2023 13:26
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073