NANDONDONA (Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Reko nandondona Ianao
Efa niandry ela tao
Saingy dia naleoko hoe samy amin’izao
Tonga tzwohq mba hihavana hampiseho fitiavana
Izaho angaha tsy mana-namana

Eo ireo Ray amandreniko
Eo ireo rehetra iray uontp tampo
’Reo sakaizako izay ianteherako
Toa ampy ahy ireo, ampy tsy hampitoreo
Sao Ianao indray no hanelingelina eo
Toa ampy ahy ireo, ampy tsy hampitoreo
Sao Ianao indray no hanelingelina eo

2. Saingy nofinofy ihany fa hay raha mbola eto an-tany
Tsy azo ianteherana raha izany
Ao ny fahafatesana, ny fisarahan-toerana
Ny toky fitaka tsy ferana

Teo vao tena info tsapako, nanenenako avokoa
Izay rehetra efa vita teo aloha
He ity izaho namita-tena
Toa mahantra mahonena
Nanana aho taloha fa lasa mosarena
He ity izaho namita-tena
Toa mahantra mahonena
Nanana aho taloha fa lasa mosarena

Reko nandondona Ianao
Efa niandry ela tao
Mandrosoa aty am-poko izao

(FEON-KIRA)

Tafatoetra eto Aminao, ny fiainako izao
Velon-kira fifaliana vaovao
Na handao niserana, ireo sakaiza sy havana
Ianao Jesoa no fanaperana
Na handao niserana, ireo sakaiza sy tononkira.serasera.org havana
Ianao Jesoa no fanaperana

--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vonjy
Vangy : 5698
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Rajim
Daty : 21/03/2006 04:31
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.5625