Tarigetra (Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
TARIGETRA

Rehefa niezaka aho ho olo-marina
F'irony hafetsena mba tiko onerana
Rehefa niezaka aho mba ho madio ampo
Fa vonona aho ny handao ny lolompo taloha
Dia toy ny resy aho, ka mila hitalaho
Nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao

Rehefa niezaka aho ho manam-pahendrena
Ka hoe hafoy ireo toetra ratsy mahonena
Rehefa niezaka aho mba ho mpandefitra
Vao maika toa mihasahy ireo mpanohitra ahy
Dia toy ny resy aho, ka mila hitalaho
Nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao

ref:
Fa noho ny Teninao izay mampahery ahy
Hoe tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy
Fa efa voafetra ny androny rehetra
Zava-poana fa tsy hitoetra
Hotanako ny tarigetra

Rehefa niezaka aho ho mpampihavana
Fa ny fifandrafiana tsy mampiadana
Rehefa niezaka aho hamela heloka
vao maika ireo indray no toa handrendrika ahy
Dia toy ny resy aho ka mila hitalaho
Nahoana aho moa aho Raiko ô no nivoady izao

ref:
Fa noho ny Teninao izay mampahery ahy
Hoe tsy misy fiadanana ho an'ny ratsy fanahy
Fa efa voafetra ny androny rehetra
Zava-poana fa tsy hitoetra
Hotanako ny tarigetra


Tarika VONJY
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vonjy
Vangy : 13465
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Malita
Daty : 09/06/2010 09:27
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0722