You are here: home > Tononkira > Vonjy

TSY HANGINA (Vonjy)

https://tononkira.serasera.org/hira/vonjy/tsy-hangina

Tsy hoan’ny mpandresy ihany ny ady
Na ny harena hoan’ny olo-marina
Na voninahitra hoan’ny mpitady
Fa ao ny Ray mpandamina

Ao ny andro hifaliana
Ao ny andro hitomaniana
Ny zava-drehetra samy nataony
Mendrika amin’ny fotoanany

Tsy hangina fa hihira hihoby hiantsa
Fa ny ftononkira.serasera.orgeo asandratro hidera ny avo
Izy no Mpiandry ahy sy mpitari-dalana
(Izy no mampianatr’ahy hanam-paharetana)
Hery sy ampinga azo antoka indrindra
( N’inona hidona ny finoana tsy hirona)

Ao ny andro natao hifaliana
Ao ny andro natao hitomaniana
Ny zava-drehetra samy nataony
Mendrika amin’ny fotoanany

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Vonjy
Mpamaky : 3312
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : Rajim
Tamin'ny : 21/03/2006 03:34:26
ID : 3551

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo