Sarobidy (Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Misy ny andro izay nanjombona tokoa
Ireo izay nandrandraina rava avokoa
Nitanondrika aho, to mila amoy fo
Izay vao mba nahatsaro anao ry Ray Tsitoha
Fantatro fa ianao tsy mba mahafoy ahy
Izay manantona anao tsy mba angahiahy
Fa tena raisinao

Ref:
Sarobidy aminao izahay
Zanaharinay ô Aba Ray
Tsy manavaka tsy mandatsa ianao
Mihaino ireo izay mitalaho
Miala nenina, miandry anay hiverina aminao
Sarobidy aminao izahay
Zanaharinay ô Aba Ray
Fantatro fa na izaho ihany aza
Ny olombelona tety
Dia ho tonga ianao hamonjy ahy Jesoa Kristy

Raha mijery ny asan'ny tananao
Ny volana ny kintana ny lanitra
Sy ireo zava-boary nataonao tety
Taratry ny fahalebiazanao ireny iiii
Inona mo aho no mba tsarovanao
Toy ny singa iray amin'ny fasika eo anatrehanao

Ref:
Sarobidy aminao izahay
Zanaharinay ô Aba Ray
Tsy manavaka tsy mandatsa ianao
Mihaino ireo izay mitalaho
Miala nenina, miandry anay hiverina aminao
Sarobidy aminao izahay
Zanaharinay ô Aba Ray
Fantatro fa na izaho ihany aza
Ny olombelona tety
Dia ho tonga ianao hamonjy ahy Jesoa Kristy

Ny fitiavanao anay mandrakizay
Toy ny anakandriamasonao izahay
Sarobidy aminao, sarobidy aminao

Ref:
Sarobidy aminao izahay
Zanaharinay ô Aba Ray
Tsy manavaka tsy mandatsa ianao
Mihaino ireo izay mitalaho
Miala nenina, miandry anay hiverina aminao
Sarobidy aminao izahay
Zanaharinay ô Aba Ray
Fantatro fa na izaho ihany aza
Ny olombelona tety
Dia ho tonga ianao hamonjy ahy Jesoa Kristy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vonjy
Vangy : 1853
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : faniry123
Daty : 28/03/2020 11:30
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0735