MANANDRATA FEO (Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
MANANDRATA FEO - Vonjy

Manandrata feo
Sy hira vaovao
Venteso ireo : ho mpandresy ianao
Manandrata feo
Sy antema vaovao
Fa Jesoa no efa mialoha anao

Tsaroako eto izao
Ilay nanafahana
Ny jiosy raha teo
Ambanin'ny fa-
nandevozan'ny Farao
Avy eo niampita
Ranomasina mena
Maneho fa efa vita,
Voahomana ela
ilay famonjena

Manandrata feo ...

tsaroako eto izao
ny mandan'i Jeriko
na mafy aza dia
ny kiaka sy feo
no nandrodana azy teo
tsaroako Kalvary
namonoana an'i Kristy
kanefa nitsangana ho doria
Hampandresy antsika ety

Ampinga sady hery ho ahy (Jesoa)
Mandrava ny adim-panahy (Jesoa)
Izy no fialofana (Jesoa)
Mampisy ny fitsaharana (Jesoa)
Manandratra Anao ...
Mifalia fa mpandresy isika izao
Miravoa fa efa tonga olom-baovao
efa nosasany tami'ny rany
Handray ny hery avy amin'ny Fanahiny

(Manandrata feo)
Manandrata feo ka derao ny Mpahary
Fa ho tsapanao avy eo sy hasehony miharihary
Ny haizim-pito dia hisava
Ny adin-tsaina koa ho rava
Ny loharanom-pifaliana
Sy loha-oram-pitahiana
Ho toy ny (mana)
Ho toy ny mana avy any an-danitra (raha)
Raha tahiny ianao maharitra amin'ny (feo)
Sy ny hira fiderana
Fa ny Tompo no mialoha
Ary Azy koa ny fahefana

Manandrata feo ...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Vonjy
Vangy : 1515
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : leva2
Daty : 27/09/2019 18:35
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1542