MAHAFINARITRA (Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mahafinaritra ahy, ny miaraka @ Jesoa
Tsy mba misy mampanahy, Izy no hiankinako
N’aiza n’aiza no aleha, n’inoninona hanjo
Mahafinaritra ahy re ny miaraka @ Jesoa
(2fois)

Ny fiainako eto an-tany, dia mizotra hatrany
Ny fiainako any ankoatra, efa tsara voatra
Koa..Raha Izy no ao am-po, ho mirana tokoa
Ny fanahiana hody fahasahiana
Ra Izy no ao am-po, ho mirana tokoa
Ny fahoriana hody fifaliana
(2fois)

Mba hizahao, fa tena tsara Jehovah
Manome fiainam-baovao, ary tsy hanenenanao
Ho sambatra izay mialoka aminy
Sy mankato ny teniny
Fa ho mpandova ny any an-danitra
Hitoeram-boninahitra
Hiadana ho finaritra
Amim-piainan-tsambatra tokoa.

Mahafinaritra ahy, ny miaraka @ Jesoa
Tsy mba misy mampanahy, Izy no hiankinako
N’aiza n’aiza no aleha, n’inoninona hanjo
Mahafinaritra ahy re ny miaraka @ Jesoa
(2fois)

Mahafinaritra ahy re ny miaraka @ Jesoa (2fois)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vonjy
Visites : 5210
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : danilwoo
Date : 05/09/2008 08:44
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0768