Hazo fijaliana (Vonjy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ny maso no nomenao hitazanana,
Ny saina koa natolotrao mba hahatsiaro,
Tsy hanadino ireo tantara marina,
Fa sitrakao ny olonao ho tafarina.

Androany aho raha sendra nahatazana,
Lay sarina hazo fijaliana izay nentinao,
Injao fa mitamberina ao an-tsaiko ao,
Ireo ora izay niaretanao hamonjy anay.

Tsy diso Ianao fa nohelohina,
Nisolo voina no niaretanao,
Nandao avokoa ireo namanao taloha,
Voalatsalatsa Ianao, voaeso koa.

Nangina Ianao fa tsy namaly teo,
Nivavaka, nifona ho azy ireo,
Niantsoantso Ianao noho ny kapokao,
Ny ranao nalatsaka no avotray.

Ho very maina foana ve izany rehetra izany?
Nanganohano ny masoko te-hitomany,
Mahatsiaro ireo ota izay vitako,
Mifona aho ry Tompo o, tsy hanindroa!
Mifona aho ry Raiko o, tsy hanindroa!

Mahatsiaro ireo ota izay vitako,
Mifona aho ry Tompo o, tsy hanindroa!
Mifona aho ry Raiko o, tsy hanindroa!
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vonjy
Visites : 10696
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Tojo
Date : 28/03/2005 05:55
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728