Ny Zavatra Rehetra (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Mifalia ry zatovo dieny mbola tanora ianao
Mandehana tanteraho izay rehetra sitraky ny fonao
Fa ny zava-drehetra dia azonao atao avokoa
Fa tsy ny zavatra rehetra tokoa no tsara sady mahasoa

REF:
Fa 'zao zavatra rehetra izao
Tena mety mahasondriana anao
Fa fantaro izay tsara
Mba ho tsara fiafara

Nefa aoka koa ho fantatrao
Fa tsy maintsy hitsaràna anao
Hitan' Andriamanitr' izay
Efa vita hatrizay

2) Ny Fanahy Masina no tena afaka manampy anao
Ka manoro anao ny làlana, làlana tsara sady marina
Ny Fanahy Masina no tena afaka manampy anao
Ka manoro anao ny làlana, làlana tsara sady marina

REF:
Fa 'zao zavatra rehetra izao
Tena mety mahasondriana anao
Fa fantaro izay tsara
Mba ho tsara fiafara

Nefa aoka koa ho fantatrao
Fa tsy maintsy hitsaràna anao
Hitan' Andriamanitr' izay
Efa vita hatrizay

SVM-RF FJKM Kristy Fiainana Bemasoandro Itaosy
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Visites : 181
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sandyrandrianaivo
Date : 22/05/2025 11:41
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0686