INTY AHO (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1)Inty aho mifona Aminao Ray malala ô(Ray malala ô)
Tapaka hevitra aho fa hiverina Aminao
(Tsy mendrika)
Tsy mendrika ny ho zanakao intsony aho Ray
Ka ataovy ho isan'ireo mpanomponao
REF:
INTY AHO ry Tompo tsitoha, hamindrao fo
Nanenenako avokoa, 'reo ditra taloha
Mino aho ry Ray Malala ô, fa efa navelanao
Ka hitoetra eo Aminao mandrakizay
2)Izaho hetahetako izaho sy ny voadiko
(Ny voadiko)
Dia ankiniko Aminao ry Andriamanitro
(Ka mba raiso)
Ka mba raiso ny Tanako, tano aho Ray
Fa Ianao no anjarako mandrakizay
REF * 2:
INTY AHO ry Tompo tsitoha, hamindrao fo
Nanenenako avokoa, 'reo ditra taloha
Mino aho ry Ray Malala ô, fa efa navelanao
Ka hitoetra eo Aminao mandrakizay
A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Lien:
Commentaires
Sandosantos
(
17/05/2023 12:45)
Hiram-bavaka, tsara sady mampiverina antsika amin'Andriamanitra mandrakariva
Sandosantos
(
17/05/2023 12:49)
Inty aho Ray, nanenenako avokoa ireo vitako taloha, tsy mendrika aho ka mba raiso ho isan'ireo Mpanomponao MANDRAKIZAY
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Vetson'ny Fanantenana BemasoandroVisites : 258
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sandosantos
Date : 17/05/2023 12:42