HO LASA OLOM-BAOVAO (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Tandremo ny fahazaran-dratsy
Tandremo fa tena mahafaty
Ny toaka, rongony sy sigara
ialao, ialao fa tsy tsara
Izay mikasika azy tsy hamelàny
Any an-kady any no hiafarany
Dia ho very avokoa, ilay galona soa
'zay nomen'ilay Tompo Tsitoha

REF:
Fa ny tenantsika no tempoly
Ho potipotehan'ny devoly
Tsarovy, tsarovy ry bôgôsy
Malahelo anao anie Jesôsy
Fa ny botakely sy ny sisa
Tsy hahazoanao ny paradisa
'reo 'zay mankafy setroka kely
Ho jinjain'ny afobe dia very

2. Anio ny Tompo miantso antsika
Nataony ho anao ny paradisa
Atolory azy ny fonao
Fa ho lasa olom-baovao
Ka hitovy endrika sy bika
amin'ilay Ray nahary antsika
Ho lasa avokoa, 'reo toetra taloha
Voninahitra an-tampon'ny loha

REF x 2:
Fa ny tenantsika no tempoly
Ho potipotehan'ny devoly
Tsarovy, tsarovy ry bôgôsy
Malahelo anao anie Jesôsy
Fa ny botakely sy ny sisa
Tsy hahazoanao ny paradisa
'reo 'zay mankafy setroka kely
Ho jinjain'ny afobe dia very

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Lien:
Commentaires
Sandosantos ( 25/04/2023 12:03)
HAFATRA MAHATONGA SAINA
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Visites : 217
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sandosantos
Date : 25/04/2023 12:01
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.178