HALELOIA (Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1. Andriamanitra ô, misaotra Anao
Izahay mivory eto izao
Ka asandratray ny Anaranao
Ary koa ny voninahitrao
Fa mahery sy Tompo tsara Ianao
Tsy mba misy toa Anao
Fa nanota Taminao tokoa
Nefa kosa namindranao fo

REF:
HALELOIA, Voninahitra anie
HALELOIA, Ho anao Mpanjaka lehibe
HALELOIA, Mankalaza Anao 'zahay
Raiso mba ho voninahitrao
Izao hira fiderana izao

2. Izahay mijoro eto izao
Dia mitory ny Anaranao
Ka mangataka ny Herinao
arotsahy aty anatinay
Fa Mahery sy Tompo tsara Ianao
Tsy mba misy toa Anao
Fa raha miaraka Aminao 'zahay
Tsy mba misy zava-mampanahy

REF:
HALELOIA, Voninahitra anie
HALELOIA, Ho anao Mpanjaka lehibe
HALELOIA, Mankalaza Anao 'zahay
Raiso mba ho voninahitrao
Izao hira fiderana izao

A/C: Ny Aingafito
By Sandy RANDRIANAIVO
--------
Lien:
Commentaires
Sandosantos ( 25/04/2023 12:25)
Mila vonona sy sahy mandrakariva isika manatanteraka ny hira fiderana ataontsika
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Vetson'ny Fanantenana Bemasoandro
Visites : 702
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : Sandosantos
Date : 25/04/2023 12:23
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0744