Ampidiro aloha ny tenimiafina
Havaozy re ny foko (Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HA)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Havaozy re ny foko JesoKa atolory ho ahy anio
Ny fahazavanao fa iriko
Mba ho ahy manontolo
Eny ho ahy tsy misy fetra
Ka mba ho mendrika ny tenako
Anivon'ireo zava-boahary
Raha Ianao no mitoetra
Ato anatiko izao Jeso
Ka ny fiainako anie
Hiova ho fiadanana
Ka tsy hahamenatra ahy
Ny hiantso ny Anaranao
Sy hilanja ny hazo fijalianao
Hiantso Anao aho
Fa efa sitrako izany
Ka havaozy re ny foko
Ity foko efa trotraka
Hitoero re ny foko Jeso
Ka omeo ahy ho ahy anio
Ny fo madio sy feno antra
Mba ho ahy manontolo
Eny ho ahy tsy misy fetra
Ka tsy ho very ny finoako
Fa Ianao no miahy azy Tompo
Amin'ny fakam-panahy
Sy ny loza maro misy ety
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Trompetra Fanantenana FLM Toby Fanantenana 67 HAVisites : 204
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Njaranjara
Date : 13/03/2025 06:34
