DECISION (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Jesosy ô inty aho fa tapa-kevitra hanaraka Anao (2x)

Hafoiko hatreo ilay fiainako taloha
F’izaho aleoko manaraka anao
Leo ny fitaky ny tany aho fa aleoko indray manorina fiainam-baovao
Niraparapa tanatin’ny aizina aho taloha jamba fahiny
Novahan’ny Tompo ny masom-panahiko anio
Ka mahiratra aho ankehitriny

Jesosy ô inty aho fa tapa-kevitra hanaraka Anao (4x)
Hanaraka anao izay no sitrapoko Ray
Ka foiko ireo fianakaviana sy ireo hava-tiana satria
Tsy mahavonjy ahy na mahavonjy fanahy
Fa Ianao fa Ianao no afaka hahavita an’izany e!
Jesosy ô inty aho fa tapa-kevitra hanaraka Anao (4x)
N’aiza n’aiza misy anao, n’aiza n’aiza alehanao
Tapak’hevitra hanaraka anao izaho
Hanaraka Anao zaho n’aiza n’aiza misy Anao Jesosy ô
Jesosy ô inty aho fa tapa-kevitra hanaraka Anao (4x)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 4676
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : niniekely
Daty : 05/05/2017 12:41
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5515