Ampafantaro ahy (TDL (True Direction Life))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola matanjaka mirijarija loatra
Sy miary harena mafy, tsy mba mety ho afapo!
Toa mikely aina fatratra amin'izay mora lò
Ka ny vola sy ny harena no mibaiko ny fo! Oh oh!!!

Izay kasaina toa lavorary avokoa
Toa tò teny loatra, raha tsy izany misendaotra
Ary miezaka hatrany maka ambany ny fiainana an-tany
Nefa tsy fantany hoe ho an'iza izay hiariny izany.

Ref:
Ampafantaro ahy izay mety hiafarako
Sy izay rehetra ohatry ny androko
Aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho
Handehanako mahintsy eo aminao.

.......................

Ny fiainanao dia mihinana sy matory
Fa ny fanahinao mahantra sady ory
Tsy mieritreritra sy misaina hoe ny fanahiko mitaraina
Fa ny nofo mety maty no karakaraina!!!

Dia mihevitra sy mampiseho ny tena ho ambony
K'izany fahantrana izany dia tsy tsaroany intsony
Ny fiainana eto an-tany dia misy farany sy manam-petra!
Ny fahafatesana no itovian'ny olon-drehetra
Ka hoy aho hoe ...

Ref:
Ampafantaro ahy izay mety hiafarako
Sy izay rehetra ohatry ny androko
Aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho
Handehanako mahintsy eo aminao. (X3)

Aoka ho fantatro fa olon-kandalo aho
Handehanako mahintsy eo aminao. (X2)

Mahintsy eo aminao ... (X2)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : TDL (True Direction Life)
Vangy : 3554
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : christophe17
Daty : 13/05/2020 07:53
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0733