Vonjeo ny taninay (Tanora Masina Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ray o ! Ampio izahay fa mizaka irery izao fiainana izaoMifona raha nanilika anao tsy hamerina intsony, fa aza mandao
Hiezaka mba hanadio, ary koa mba hanavao ny fo fanahinay
Hanao araka izay tadidiavinao mba ho mendrika Anao sy ny fitiavanao
Ny fihavananay sy ny fifankatiavanay majary ho fifandrafesana
Vonjeo ny taninay fa mijaly, vonjeo fa mijaly izahay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
Hanaovao indray ity nosinay
Vonjeo ny taninay fa mijaly, vonjeo fa mijaly izahay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
Hanaovao indray ity nosinay
Aza avela hifanonto na hisy antoko etsy sy eroa e !
Aleo hitambatra iray satria tsy misy hafa samy zanakao
Jereo anie fa mampahonena ireo mosarena, sy ireo malaelo
Efa kivy ny tsy mahita ny anjara masoandro mihatra amin’izao
Ny alin’izy ireny dia hapetraka aminao, Izay tompon’ny haren’ny taninay
Vonjeo ny taninay fa mijaly, vonjeo fa mijaly izahay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
hanaovao indray ity nosinay
Vonjeo ny taninay fa mijaly, vonjeo fa mijaly izahay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
Hanaovao indray ity nosinay
Tompo o ! mino manantena Anao izahay,
Hanaovao indray ity nosinay
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Tanora Masina ItaosyVisites : 11572
Préférés : 2 J'aime
Ajouté par : rojo14
Date : 10/01/2017 23:05