Havaoziko ny foko (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Toa misy feo mibitsika ahy,
Feo malefaka tsy mba miavona,
Manambitamby toa maha te ho tia,
Izay Miantso hoe “avia”
Izaho anefa toa saikatra ny hanantona,
Asa aloha na matahotra angaha,
Midobodoboka ny foko,
Fa toa manindry mandry ahy,
Ndrao ny Tompo.

Injay ‘lay valim-bavako,
‘Zay nandrasako hatr’izay ela izay,
Aza manahy na matahotra fa
Izy tokoa izao
Ny hafenoin’ny kapoakanao no toa mampanahy,
Ka dieny izao dia mibebaha
Ny helokao ifony avokoa
Ka fo madio no hitsenanao ny Tompo

Inty vakio sy mba diniho
Ampiharo dieny anio mba ho fiainanao
Taloha aho no nanamafy loha
F’anio aho hiova fo hiantoraka Aminao
Ry Jeso

REF: Havaoziko eto anatrehanao,
Ny foko fa tena hiriko ho lasanao,
Ny Teninao no hiorina ato am-poko,
Mba ho fandresy ireo ota mandoto.

Ouh. . .Ouh. . .Ouh. . .Ouh. . . . (×2)

Andeha hiaraka hamoha
Ireo fo mihidy ho an’i Jeso
F’izay no anjara ho ahy sy ho anao
Manomboka izao
Ka ho aseho ho ren-tany ho ren-danitra fa
Raha ‘lay Jeso no miasa ho anao
Ho maivana avokoa ny entanao,
‘Reo efa lo aza ho tonga vaovao

Ezaho aloha, hihena ny aminao
F’ilay Jesosy no aoka hitombo hatrany,
Fa izy anie mijery ety ambany,
F’ianao kosa no mba manakatra Azy avo.

REF: Havaoziko eto anatrehanao,
Ny foko fa tena hiriko ho lasanao,
Ny Teninao no hiorina ato am-poko,
Mba ho fandresy ireo ota mandoto.
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Tanora Masina Itaosy
Vangy : 2694
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Herizo15
Daty : 19/05/2020 19:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3224