Ny fiainana an-tany (Tanora Masina Itaosy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Johin-dranomaso ve no asetrinao ny Tompo
Hakiviana lava miampy sento sy toloko
Raha ny fahoriana nentin'i Jesosy taminao
Dia tsy ho zaka n'inona hatao
Hazo fijaliana tsy mba manam-paharoa,
Nentin'Izy Tompo sy niafiany tokoa
Koa 'ndeha hatrakao ny loha, omeo ny entanao,
Fa Izy efa nanafaka anao

Fiverenana :
Indro Jesosy ô
Mba raiso ny tanako!
Diovy ny foko
Ho lapanao tokoa (bis)

Ny fiainana an-tany anie mandalo fitsapana
Maro zavatra sedraina an-dalana hombana
Ny finoana ao anatinao no hazomy sy hajao
Mba hampiray ny Tompo aminao
Izy no mitarika ny làlana mankany,
Sady nanamboatra toerana any an-danitra any
Lova sarobidy izay nomeny ho anao
Raiso Izy anio fa tsy hanenenanao!

Fiverenana : Indro jesosy ô ... (bis)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Tanora Masina Itaosy
Visites : 2052
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : Anahy
Date : 20/03/2024 21:46
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.036