Ny fiainana an-tany (Tanora Masina Itaosy)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Johin-dranomaso ve no asetrinao ny TompoHakiviana lava miampy sento sy toloko
Raha ny fahoriana nentin'i Jesosy taminao
Dia tsy ho zaka n'inona hatao
Hazo fijaliana tsy mba manam-paharoa,
Nentin'Izy Tompo sy niafiany tokoa
Koa 'ndeha hatrakao ny loha, omeo ny entanao,
Fa Izy efa nanafaka anao
Fiverenana :
Indro Jesosy ô
Mba raiso ny tanako!
Diovy ny foko
Ho lapanao tokoa (bis)
Ny fiainana an-tany anie mandalo fitsapana
Maro zavatra sedraina an-dalana hombana
Ny finoana ao anatinao no hazomy sy hajao
Mba hampiray ny Tompo aminao
Izy no mitarika ny làlana mankany,
Sady nanamboatra toerana any an-danitra any
Lova sarobidy izay nomeny ho anao
Raiso Izy anio fa tsy hanenenanao!
Fiverenana : Indro jesosy ô ... (bis)
--------
Link:
Add a comment
Please sign inAbout this song
Artist : Tanora Masina ItaosyHits : 2054
Likes : 0 Like
Created by : Anahy
Date : 20/03/2024 21:46
