Toky (T.I.A Andraisoro)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tsy ho fefika an-dalana ianao
Na mahery aza ny onjan'ny tany
Mitodiha ianao f' ilay Tomponao
Tsy manary fa mijery hatrany
Ka na sarotra aza ny dia
Tsy maintsy tonga satria


Ref:
Hoy Izy hoe:
Indro Aho momba anao na inona ataonao
Na miditra ianao na mivoaka koa
Tolorako izay mahasoa
Koa aza variana ny miondri-dava
Miandry ny aizina ho mazava
Fa Jesosy Tompo Mpamonjy sy zoky
No efa nanome ho anao Toky


Ireo vorona dia tsy mba manahy
Fa miatrika ny hoaviny foana
Ianao koa mahazo ny soa
Raha ny Tompo mbola eo anoloana
Ka ario ireo ahiahy
Mijoroa ho tena sahy



Tonony sy feony : Hery Tiana Razafimahefa
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : T.I.A Andraisoro
Visites : 3036
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : aro86
Date : 13/11/2014 14:56
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0739