Ny Rany sy Fanahy (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Tsy miankina amin'izay harena ananakoNa talenta, fahefana, hery am-pelatanako
'Zay ho voninahitro,fa ny Ra nalatsakao
Ka tsy mba reherehako ny haren'ny tany mora lo
2- 'Zay hitiavako Anao,Jesosy Kristy Tompoko
Dia Ianao no efa tia ahytalohan'ny nitiavako
Ka ho reharehako ny Hazo Fijalianao
Kristy ô! Ianao tokoa,Ianao no Voninahitro
Ref 1-2:
Tsy mba volafotsy na koa volamena fa ny Ra
Ny Ran'i Jesosy Kristy,Ain'Andriamanitra mahery
Io no nividianana ahy, nanaraka ,hamonjena ahy
Mba hanana fiainam- baovao ity mpaniasia
3- Izay mamiko tokoa ka ampy ahasambatra ahy
Dia ny fo anatiko ao, hitoeranao, ô ry Fanahy
Ain'Andriamanitra, heriny ihany koa
Ka tsy mba hasambarako ny an'ny nofo mora lo
Ref3:
Tsy mba volafotsy na koa volamena fa ny Fanahy
Tsy izay zavatra mety ho lo, fa ny Fanahin'Ilay Tsitoha
Izy no nalatsaka, hanangana ahy,hamonjena ahy
Mba hanana fiainam- baovao 'ty mpaniasia
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBYVisites : 101
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : jeremiar1
Date : 14/04/2025 13:50