HO VAVOLOMBELONA (SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ô mitsangana ry tanora
Kamivonona hianao
Fa efa tonga izao ny ora
Tena liana ny herinao
Jesosy Tompo no miantso
Hamita iraka hianao
Ka aoka tsy hiatoato
Mamalia dieny izao
FA AO AMIN’I KRISTY VOAANTSO IANAO
HO VAVOLOMBELONA

Izao no hafatra nomeny
Ho anao manaiky ny handeha
Torio ny teny ombieny ombieny
N’aiza n’aiza no aleha
Ka hafafazo izao ny voa
Eo amin’izao tontolo izao
Dia ambarao ny teny soa
Izy Tompo homba anao
FA AO AMIN’I KRISTY VOAANTSO IANAO
HO VAVOLOMBELONA

Henoy anie ny toky tsara
Izay nataony ho anao
History ny filazantsara
Amin’izao tontolo izao
Hahazo hery hianao
Satria ho feno ny fanahy
Ka mandehana ary izao
F’efa vonona sy sahy
FA AO AMIN’I KRISTY VOAANTSO IANAO
HO VAVOLOMBELONA
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SERAFIMA AMBOHIBAO TOBY
Visites : 606
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : jeremiar1
Date : 17/08/2021 20:03
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.073