Hanompo Anao (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- 'Zaho raha mbola velon'aina n'inona n'inona ilaina
Amin'ny asa fanompoana Anao Jesoa
'Zay rehetra anatiko ao, 'zay rehetra Nomenao
Entiko hiasa sy hanompoana Anao

REFRAIN:
Fa izaho mangataka Aminao ry Ray
Mba Havaozy re ny ao anatinay
Entinay miasa ary koa mandeha
Tanteraho tokoa 'lay Teninao hoe
Ataonao hafa ny manompo Anao
Ataonao hafa ny midera Anao
Vonona izahay Jesoa hanompo Anao

2-'Zaho raha mbola miaina koa ho Anao ry Ray Tsitoha
Eny hiasa ho Anao ry Tompo soa
N'aiza n'aiza no aleha, Ianao no rehareha
Dia ho antsoiko hanompo Anao 'reo marobe

REFRAIN:
Fa izaho mangataka Aminao ry Ray
.......

3- Tsy izaho irery moa ny havako sakaizako
Dia ho entiko hitory Anao tokoa
Ny olon-tina na namana entiko an-tànanao
Na ny ory eny na ny manana

REFRAIN:
Fa izaho mangataka Aminao ry Ray
........
--------
Lien:
Commentaires
niainarahadra ( 31/01/2018 15:58)
SALSA FJKM Ziona Fahazavana Anosibe
A/C RAHADRA MAHEFA
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Visites : 1645
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : niainarahadra
Date : 31/01/2018 16:04
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0725