Eo foana Ianao (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Teo foana Ianao, teto aminay
Na toerana aiza no naleha
Na sarotra aza ny làlanay
Ianao mitondra anay mandeha
Ny Tànanao mitsotra aminay
Na aizina aza no izoranay
Jesoa Malala ô! Misaotra anao re
Fa teto aminay foana Ianao

REFRAIN:
Koa aza mahafoy na mahasaraka anay
Ianao Jesoa Kristy
Ianao no fivoy, Ianao no mitondra anay
Na sarotra ny lalana ety
Dia ho eo fona Ianao, ho eto aminay
Na aiza aleha na inona ataonay
Dia ho eo fona Ianao, tsy ho lavitra anay
Fa eo Akaikinao izahay

2- Ity asa ity sy izay ataonay
Tsinjovy hatrany re izahay
'Zay mbola ho atao sy ho torianay
Ianao tsy ahasaraka anay
Tsy ho reraka re, tsy sasatra koa
Fa eo Ianao Ry Ray Tsitoha
Ny Tànanao Atsotranao
Tantanonao 'zahay izao

REFRAIN:
Koa aza mahafoy na mahasaraka anay
....

3- Tsy ho kivy, tsy ho ketraka koa
Na inona na inona hanjo
Na reraka aza, na noana tokoa
Dia hovokisanao zava-tsoa
Ireo mpandrava sy mpanaratsy
Raha mbola Ianao no manafy
Ho sasatra eo, ho vizana eo
Fa tsy haharava anay izy ireo

REFRAIN: X2
Koa aza mahafoy na mahasaraka anay
....

SALSA Ziona fahazavana Anosibe
A/C: RAHADRA MAHEFA
--------
Rohy:
Hevitra
niainarahadra ( 31/01/2018 13:09)
A/C : RAHADRA MAHEFA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Vangy : 1148
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : niainarahadra
Daty : 31/01/2018 13:24
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719