Araraoty (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1- Mandalo miserana ny andronao
Ka tsy aleo ve hanaovana soa?
Ho foana avokoa 'zao tontolo izao
Tsy miverina eto in-droa
Tsy maintsy ho tsaraina izao sy ianao
Rehefa tonga 'zay andro izay
Ka ny fanompoana no tsara atao
Sao hanenina rahatrizay

REFRAIN:
Araraoty ny andro azo anaovana soa
F'efa ratsy izao fiainana izao
Araraoty ny antso ataon'i Jesoa
Hitoerany ao aminao
Ho anao 'zay mijoro tandremo sao lavo
Hazony 'zay anananao
Hiara-hifaly sy hiravoravo
Any am-parany izaho sy ianao


2- Tsy sarotra akory tsy vidiana lafo
Ny fanaovan-tsoa ataonao
Tsy manorisory fa manafosafo
'Zao teny lazainao izao
Hoe: ''Araraoty ny andro sy ora
'Zay mbola ahavelomana ety''
K'ireo mafy fo dia bitsiho moramora
Hoe : '' Miantso anao Jesoa tia''

REFRAIN: X2
Araraoty ny andro azo anaovana soa
F'efa ratsy izao fiainana izao
Araraoty ny antso ataon'i Jesoa
Hitoerany ao aminao
Ho anao 'zay mijoro tandremo sao lavo
Hazony 'zay anananao
Hiara-hifaly sy hiravoravo
Any am-parany izaho sy ianao
--------
Rohy:
Hevitra
niainarahadra ( 31/01/2018 12:40)
A/C RAHADRA MAHEFA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Vangy : 1294
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : niainarahadra
Daty : 31/01/2018 13:25
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0737