Ifonako (SALSA Ziona Fahazavana Anosibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
REFRAIN:
Ifonako Aminao Jesoa ny hadisoako
Diovy amin'ny Rànao soa ny halotoako
Mba Raisonao izao fifonako izao
Mifona re mibebaka aho sy mitalaho

1- Nandao Anao nanara-tsitrapo tokoa
Ity Adalanao ity ry Ray Tsitoha
Nanohitra ireo didy izay Napetrakao
Mifona re sy mandohalika Aminao

REFRAIN: Ifonako Aminao Jesoa ny hadisoako
........

2- Noararaotiko ny maha-tanora ahy
Ny nofoko dia lavon'ny fakam-panahy
Tsy nohenoiko akory ireo 'zay mba niteny
Narary fo ny ditrako dada sy neny

REFRAIN: Ifonako Aminao Jesoa ny hadisoako
........

3-Ankehitriny aho manenina ry Ray
Voakapoka, voadona mafy re ka fay
Mba aok'izay izao Famaizanao izao
Ô! Mba jereo ka raiso re 'ty Zanakao

REFRAIN: Ifonako Aminao Jesoa ny hadisoako
........
--------
Rohy:
Hevitra
niainarahadra ( 31/01/2018 13:31)
SALSA FJKM Ziona Fahazavana Anosibe
A/C RAHADRA MAHEFA
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : SALSA Ziona Fahazavana Anosibe
Vangy : 1308
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : niainarahadra
Daty : 31/01/2018 13:59
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2969