IREO FAHAGOLA (Romule)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nahantona irony valiha, hadino ny kalom-pitia
Lasa haingon-trano tsy fidiny re izy e!
Ny lokanga sy jejo voatavo, mihafihafy sy miazoazo
Natakalo ny an’ny hafa zalahy izy e!

Raha kalokalo ombam-betsovetso no hany mba tadiavinao
Tsy misy anenenana ny an’ny ntaolo ka aoka tsy ho hadinonao gbmo e!
Henoy ange izany talahony mandrotsirotsy anao
(Feon-kira)
Eny e!(4fois) Asa izany ry lahy e!

Natory ny hira fahiny, ’reo vakoka tsy misy tsiny
Sento miserana sisa no hany mba re
Ny ruqcxkrz dihin’ireo fahagola, latsi-tànana arahan’angola
Zara raha misy mitsinjaka tononkira.serasera.org re izy e!

Raha kalokalo ...

Nankaiza ny fomba fitafy tena ravaky ny malagasy
Nosoloina ny haingo marevaka re izy e!
Novàna ny fomba fiteny, nafangaro vazaha izy ireny
Zara raha misy tadidy tokoa izy e!

Kanefa tsarovy f’ireo razantsika tsy nianatra fa nanan-tsaina
Nitàna ireo fomba tsy misy tomika, wbdn ka tsy azonao ambakambakaina e!
Aoka ry lahy tsy ho lotolotoina ireo lova navelany ho antsika
Sao lahy ho foana ny mahagasy antsika e!
Fa ny taranako ho lasa safiotra e!
Eny e!(12fois) Asa izany ry lahy e!

Tonony sy feony: Romule Rabarivola
Arrangement: Harry

--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abord
A propos
Artiste : Romule
Visites : 3564
Préférés : 0 J'aime
Ajouté par : hertix
Date : 26/03/2006 04:59
Audio

Audio non disponible

Ajouter
Tablature

Tablature non disponible

Ajouter
© serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.1328