Mila anao (Rija Rasolondraibe)
(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oviana no farany irery tato an-trano aho dia mba nihira ho AnaoHoe mba niala fomba fanao, fa hitady Anao
Ny farany namaky Baiboly, tsy hoe nitady tonon-kira akory
Fa matin’ny hanoanana noho ny Aminao,
F'efa ela tsy nofahananao
Ref : Mila Anao aho, mila Anao aho Jesosy ô !
Lasa aiza ny hetahetan’ny fo, fony izaho vao nahalala Anao
Mila Anao aho, mila Anao aho Jesosy ô !
Avia dia kasiho aho, vangivangio fa maniry hanakaiky Anao.
Oviana no farany, Nitondra am-bavaka notarihinao aho
Na nitomany fa mbola tsy voavonjy ihany ny havako e !
Ny farany niaiky fahotana, Na namela na nahazo famelana
Oviana no farany hoe velona tao am-poko ao ny fitiavanao
Ref : …
Mahatsiaro ho very, Ny fo tafasaraka
Irery tompon-tsafidy ho aho; nefa dia raraka e !
Tsy izany hoy aho no ilaiko eh !
Sao very maina, ny nanoloranao aina
Hamonjena sakaiza; omena
N’iza n’iza, n’aiza n’aiza eh !
Tsy takatry ny saiko eh !
Ref : (x2)
--------
Lien:
Ajouter un commentaire
Se connecter d'abordA propos
Artiste : Rija RasolondraibeVisites : 9903
Préférés : 1 J'aime
Ajouté par : kln_rab
Date : 19/09/2014 22:03
