mila anao (Rija Rasolondraibe)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Oviana aho no farany irery tato an-trano aho dia nino Anao
Hoe mba niala fomba fanao, ka nitady Anao
Ny farany namaky Baiboly ; tsy hoe nitady tonon-kira akory
Matin’ny anohanana noho ny Aminao, naniry ny ho fahananao

Ref : Mila Anao aho, mila Anao aho Jesosy ô !
         Lasa aiza ny hetahetan’ny fo, fony izaho vao nahalala Anao
         Mila Anao aho, mila Anao aho Jesosy ô !
         Avia dia kasiho aho, vangivangio fa maniry hanakaiky Anao.

Oviana aho no farany nitondra am-bavaka notarihinao aho
Na nitomany fa mbola tsy voavonjy ihany ny havako e !
Ny farany niaiky fahotana,  na namela na nahazo famelana
Oviana aho no farany hoe velona tao am-poko ao  ny fitiavanao

Ref : …

Mahatsiaro ho very, ny fo tafasaraka
Irery tompon-tsafidy oà ; nefa dia raraka e !
Tsy izany oà no ilaiko eh !
Sao very maina, ny nanoloranao aina
Hamonjena  sakaiza meloka
N’iza n’iza, n’aiza n’aiza
Tsy takatry ny saiko eh !

Ref : (x2)
--------
Link:
Add a comment
Please sign in
About this song
Artist : Rija Rasolondraibe
Hits : 9175
Likes : 1 Like
Created by : kln_rab
Date : 19/09/2014 22:03
Audio

Audio not found

Add one
Tablature

Tablature not found

Add one
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.6981